Manafaingana ny famonjenan’ireo tanalahy mampalaza an’i Madagasikara ireo manam-pahaizana satria efa mitatao ny afo. |
AFOVOANTANY, Madagasikara— Akaiky ny lelafo. Nanazava ny lanitra amin’ny alina ilay doro-tanety noho ny setroka miloko volomboasary, ka nifindra tahaka ny lava mikoriana manaraka ireo havoana, tokony ho kilaometatra vitsivitsy monja miala teto.
Nijery an’ilay afo avy teny amoron’nyala matevina aho, taty amin’ny faritra afovoantanin’i Madagasikara, ora vitsivitsy avaratra-andrefana miala an’Antananarivo, renivohitrin’i Madagasikara. Toerana manokana izy io. Ity dia iray amin’ireo ala sisa tavela eny amin’ny faritra afovoan’i Madagasikara — faritra rava noho ny fandripahana ala nandritra ny taona maro — ary fonenan’ny biby tsy fahita firy, anisan’izany karazana tanalahy maro.
Ity tantara ity dia ampahany iray amin’ny andiany maromaro
Ity no tantara farany amin’ny andiany telo momba ny fiarovana tontolo iainana eto Madagasikara, tohanan’ny BAND Foundation.
Ity ala ity, izay misy karazan-kazo mihoatra ny 400, dia mbola misy noho ny fiarovana azy nandritra ny am-polo taona maro. Anisan’ny valan-javaboahary antsoina hoe “Réserve Spéciale” Ambohitantely izy, izay nahavita nampihena ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna, ny fanaovana tavy ho an’ny fambolena, sy ireo antony hafa nandrava ny ala manodidina sy ny ala maro manerana an’i Madagasikara.
Araka ny hitako tamin’iny alina iny anefa, na ny fiarovana tontolo iainana tsara indrindra aza dia misy fetrany, indrindra rehefa mihamafana ny tany.
Ankehitriny, mba hiarovana ny rohivoahary tahaka izao — sy hamonjena ireo biby anisan’ny mahavariana indrindra eto an-tany — dia mila fomba fiasa mavitrika kokoa.
Raha sendra mahita biby dia any an’ala ianao eto Madagasikara, matetika tsy misy any an-kafa mihitsy eto an-tany izany biby izany. Madagasikara, izay nosy lehibe iray any atsinanan’i Afrika, dia efa voasaraka tamin’ny tany hafa nandritra ny an-tapitrisa taona, ka nanome fotoana lava ho an’ny biby eto hiova ho karazana vaovao. Izany no antony mahatonga ny hoe manodidina ny 90 isan-jaton’ny zavamaniry sy biby eto amin’ny firenena no tsy misy raha tsy eto ihany, izany hoe tsy misy any an-kafa — anisan’izany ny gidro........